CONVENTION DE COLLABORATION ENTRE MINAE ET MIDSP

FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINAE sy MIDSP

CONVENTION DE COLLABORATION ENTRE MINAE ET MIDSP

Publié le 8 Août 2018


Tanora 120 no hahazo tombontsoa

Tontosa androany maraina tamin’ny 10 ora sy sasany teo ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao teo amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana sy ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampiroborboroboana ny Sehatra tsy Miankina. Fiaraha-miasa mandritra ny 18 volana izy ity ary entina indrindra hanampiana ny tanora eo amin’ny fandraharahana sy ny famoronana orinasa eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanora 120 no hahazo tombontsoa anatin’izao fiaraha-miasa izao ka ny ekipan’ny Minisitera roa tonta no hanatanteraka ny asa ; ny FORMAPROD kosa no hamatsy vola mitentina 56 tapitrisa Ariary izany. Ny Tale Jeneraly Atoa RAMINDO Gaêtan sy ny Mpandrindra Nasionalin’ny FORMAPROD Rtoa RAKOTONAIVO Hary Lala no niara-nanao sonia ilay fifanaraha-piaraha-miasa. Ny Sekretera Jeneraly roa tonta kosa no nanao sonia ny « Accord cadre ».

120 jeunes seront touchés

Une nouvelle convention de collaboration vient d’être signée entre le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage et le Ministère de l’Industrie de du Développement du Secteur Privé, ce matin à la salle PPI du MINAE Anosy. Ayant pour objet « La promotion des initiatives des jeunes aux activités entrepreneuriales et à l’industrie rurale », cette convention spécifique d’un montant de 56.000.000 MGA, sera mise en œuvre dans les différentes régions d’intervention du Programme durant dix-huit mois. Elle vise, entre autres, à diversifier l’offre de formation pour les jeunes en y intégrant les activités productives et de transformation, faciliter l’installation des jeunes par leur mise en relation avec le secteur privé et promouvoir l’innovation en milieu rural. Les activités seront financées par le MINAE à travers le Programme FORMAPROD et toucheront 120 jeunes. Notons que cette convention spécifique a été signée par le DG du MIDSP M. RAMINDO Gaêtan et le Coordonnateur National de Formaprod, Mme RAKOTONAIVO Hary Lala.